Alakamisy 11 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

♦ Mafy orina sy mitohy tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Baky iraisam-pirenena sy i Madagasikara, fa tsy araka izay inian'ny sasany aely, hoy ny Minisitry ny toe-karena sy ny teti-bola, raha nanao sonia ny fahazoana fanomezana 150 tapitrisa dolara avy amin'ny Banky iraisam-pirenena androany... ♦ Mety hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo parlemantera, amin'ny herinandro ambony ny governemanta, araka ny fanadihadiana natao teny amin'ny Antenimierandoholona, ka lahadinika amin'izany ny mahakasika ireo mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana...


Tsy nandao an'i Maria i Josefa noho izy nino ny filazan'ny anjelin'ny Tompo. Nanaiky ny iraka nankinin'Andriamanitra taminy izy: Niambina ny fahavirijinian'i Maria ary niantoka ny fahamarinan'ny maha-olombelona an'i Jesoa.

♦ Hisy fanitsiana indray manomboka ny volana mey izao ilay vidin-jiro sy rano vaovao "Tarif Optima" eo anivon'ny orinasa Jirama... ♦ Tafakatra avo telo heny noho ny teo aloha ireo handray anjara amin'ny fanadinana fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja... ♦ Atahorana hiparitaka be any Mahajanga indray amin'izao ny valan'aretina entin'ny Coronavirus. Nandray andraikitra nanentana ny rehetra hampihatra ny fepetra ara-pahasalamana ny tompon'andraikim-panjakana any an-toerana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...