Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo."
♦ Mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mikatona tanteraka ny sidina anatiny ataon'ny Compagnie Tsaradia manerana ny Nosy... ♦ Marihana androany 3 mey ny andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Nambaran'ny Masoivoho amerikanina fa vonona hampiroborobo sy hiaro ny asa fanaovan-gazety i Etazonia...
Ady amin'ny valan'aretina Covid-19 eto Magadasikara, nohalavaina 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana. Hamafisina ny fepetra any amin'ireo faitra nahitana fitomboan'isan'ny marary. Mikatona ny ao amin'ny Faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy, raha toa ka misokatra kosa ny amin'ny Faritra Boeny, araka ny nambaran'ny Filoham-pirenena alina...
Alatsinainy 3 mey 2021 — Fankalazana an'i Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco