Alatsinainy 3 mey 2021 — Fankalazana an'i Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14

Misy fitenenana manao hoe : "Sakamalaho sy Avozo ka samy manana ny hanitra ho azy". Ny tiana hahatongavana dia hoe na i Filipo na i Jakoba dia samy Apôstôly, samy mpianatr’i Kristy ary samy nitory ny fitsanganany ho velona, ary samy nanohy ny asam-pamonjena efa natombok’i Kristy. Na eo aza ny samy maha izy azy ireo dia iray ihany ny tanjona.

Ny fanontaniana mipetraka ao an-dohantsika dia hoe fa maninona no miaraka ny andro sy ny daty fankalazan’ny Eglizy ny fetin’ny Apôstôly mirahalahy ireto ? Ny valiny dia tsotra ihany, rehefa naniraka ny Apôstôly i Jesoa dia nandefa azy ireo tsiroaroa. Marina fa tsy niaraka nitory tamin’ny toerana iray izy ireo anefa kosa samy maty martiry. Araka ny lovan-tsofina moa dia ny sisan-taolan’ireto Apôstôly roa lahy ireto dia napetraka ao amin’ny ôtelin’ny Bazilikan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ao Roma tamin’ny 01 mey 565, ka izany no nahatonga ny andro iray ho fankalazana azy ireo.

Ry Havana, ny teny tokoa hono manaitra fa ny atao mahatarika. Na ny teny na ny atao, na ny fihetsika nasehon’ireto Apôstôly ireto dia naharesy lahatra ny olona hanatona an’Andriamanitra sy hibebaka. Tena niaina ny maha Apôstôly azy tokoa izy ireo satria samy nanao ny ainy tsy ho zavatra. Araka izany dia ny fiainan’ireny Apôstôly ireny dia efa Evanjely velona satria fitoriana tsy mahalala sasatra ary fijoroana ho vavolombelona ny fitoriana ny fitiavan’i Kristy.

Fa manan-tanàna mimanda isika, dia manda roa sosona miaro antsika. Vato fototra roa ambin’ny folo, dia ny Apôstôlin’ny Tompo, no nanorenan’Andriamanitra ny mandan’ny Tanàna, dia ny Apôstôlin’ny Tompo. Enga anie ry Jesoa ny rà nalatsak’ireny Apôstôly ireny mba hampijoro ny finoanay tsy hivena. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...