♦ Be loatra ny fitarainana momba ny resaka kolikoly, teo anivon'ny tahirim-bolam-panjakana, ka antony nampiatoana teo amin'ny asany ny Tele jeneraly teo aloha, hoy ny Minisitry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Omby roanjato ny tratry ny aretina any Arivonimamo, ka iray no maty tamin'izy ireo...

"Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy". Ny fifanampiana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany no mampiroborobo sy mampaharitra ny fiaraha-miasa amin'ny hafa. Fianarana ho antsika ny nasehon'Andriamanitra, satria na manana ny ampy tsy taka-pesipesenina aza Izy dia mila mandrakariva ny fiaraha-miasa amintsika olombelona nohariny. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alarobia 25 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 27-32

♦ Nitondra fanazavana amin'ny antony nanesorana ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany. Nambarany fa be loatra ny fitarainana momba ny resaka kolikoly teo anivon'ity tahirim-bola ity... ♦ Tsy ho ampy handoavana ny karaman'ny mpampianatra Fram ilay filazana "zéro Ariary" amin'ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana, hoy ny federasiôn'ny mpampianatra eo anivon'ny sendika FISEMARE...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...