Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".
♦ Nirehitra ny toeram-ponenana tao Antanambaovao ao Foulpointe any amin'ny Faritra Atsinanana. Trano 50 tafo eo no kilan'ny afo. Miantso ny tompon'andraikitra sy ireo tsara sitrapo ny traboina hanampy azy ireo... ♦ Miantso ny mpiara-miombon'antoka na ato anatiny na any ivelany ny fitondram-panjakàna malagasy nandritra ny filan-kevitry ny ministra amin'ny fifanomezan-tanana amin'ny fampitaovana ilaina hifehezana faran'izay haingana ny afo miparitaka amin'ireo ala mirehitra eto amintsika... ♦ Mitohy ny fiantsoana an'ireo mpiara-miombon'antoka hafa na teratany vahiny na teratany malagasy amin'ny fanatanterahana ilay tetik'asa hamokarana sakafo amin'ny velaran-tany 60 000 Ha ao Bas-Mangoky...
13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.
Satria fianakaviana no resahana dia manana andraikitra ihany koa ny reny eo amin'ny asa fivelomana. Toy ny lehilahy ihany dia mila fiomanana ihany koa ny ho renim-pianakaviana, ka ankoatra ny fianarana dia ny fizarana amin'ny asa madinika ao an-trano. Na miasa na tsia ny vehivavy dia izy no tokony hiandraikitra ny fitantanana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco