15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.

Tsy mifanohitra ny fiainana andavanandro sy ny fiainana maha-kristianina fa mifameno tokoa ary tena mampivelatra ny maha-olona raha hita ilay lalam-baovao tokony hizorana. Ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra voalohany dia ny fanohizana sy fanatsarana ny asa-pahariana efa nataony. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

Talata 15 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

♦ Manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana amin'ny resaka tsy fandriam-pahalemana... ♦ Mbola goavana ny fanarenana ny Air Madagascar, satria misedra fahasahiranana tanteraka ity Kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity... ♦ Nodinihana nandritra ny fivoriana itambarambe teny Tsimbazaza ny tolo-dalana handrindrana ny sata hifehy ireo mpankanto...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...