Ny aretin-tenda dia aretina misy mandavan-taona, aretina azo tsaboina tsara. Ny aretin-tenda : Anzyme, pharyngite, laryngite, amygdale. Ny kambon-tenda "Amygdale" dia taova mpamorona hery fiarovana, noho izany dia misy kambon-tena daholo ny olona fa mety misy lehibe loatra ilay izy. Ny antony mahatonga ny aretin-tenda : otrik'aretina streptocoque. Ny aretin-tenda "laryngite" dia mety hanepotra ny olona marary. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nanolo-kevitra amin'ny famolavolana Sata Manokana mifehy izao fitondrana tetezamita izao miainga amin'ny lalam-panorenena misy ankehitriny ny filoha nasiônalin'ny antoko Matsilo, Jeannot Randrianaivoarivony... ♦ Tokony hiainga eny amin'ny Fokontany hatrany amin'ny filohan'ny repoblika ny fanovan-drafitra hapetraka eto Madagasikara hoy ny Vondron'ny Fikambanan'ny mpianatra avy amin'ny anjerimanontolo... ♦ Nikorontana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'ny lalam-pirenena faharoa tao an-tampon-tanànan'i Moramanga omaly. Nitokona mitaky ny hiasan'izy ireo ao amin'ny faritry ny kaominina Ambohibary ny tompon'ny Bajaj sy ny mpitondra Bajaj...
♦ Laharam-pahamehan'ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Mickaël ny hamaha ireo olana sosialy nidinan'ny vahoaka an-dalambe farany teo. Hampihatra ny pôlitika fitsitsiana koa ny fitondrana. Tontosa omaly teny Ambohidahy ny lanom-pitsaràna nanaovany fianianana... ♦ Tsy hita ny tombontsoa azon'i Madagasikara tao amin'ny vondrona afrikana hoy ny Jeneraly Lylison ka tokony handini-tena izy ireo mialohan'ny handraisany fepetra... ♦ Ho sarotra ny miandry an'i Madagasikara manoloana ny fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ankehitriny ny miantso fikaonan-doham-pirenena hamahana ny olana samihafa...
Hajain'ny Eglizy fatratra ny Soratra Masina noho izy Tenin'Andrimanitra. Efa hatrany am-piandohana mihitsy dia efa najain'ny Fiangonana fatratra ny Soratra Masina ary mbola mitohy mandraka ankehitriny izany fanajàna izany, indrindra indrindra amin'ny Litorjia Masina. Tsy nisaraka na oviana na oviana tamin'ny lovam-pampianarana ny Soratra Masina... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco