Tamin'ny taona 1600 dia nisy zanaka vavin'ny mpanjaka tao Faradofay no nalain'ireo Frantsay ka noentiny tany La Réunion, niaraka tamin'ny olona 10isa, izay 7 lahy sy 3 vavy. Tamin'ny alalan'ny fanondranan'olona no nampifandray ny Nosy La Réunio sy Madagasikara voalohany tamin'ny alalan'ireo Frantsay, nahondrana ho andevo ny Malagasy tamin'izany andro izany ka ny fambolena Kafe no asa nampanaovina azy ireo. Maro ireo toerana ao amin'io nosy rahavavy io no mitondra anarana amin'ny teny malagasy : Mahafaty, Tampon(y). Ireo vanim-potoana ireo dia endrika niampitan'ny fomba amam-panao Malagasy any amin'ireo nosy rahavavy...
• Mbola tsy nisy fehin-kevitra ofisialy tapaka tamin'ny dinika faharoa momba ireo “Îles éparses”, tany Paris omaly. Nisy teboka vitsivitsy kosa nifaneken'i Frantsa sy i Madagasikara... • Mbola mandinika ny fampiharana ilay hetra 20 % amin'ny zana-bola alaina amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Governemanta hatramin'izao... • Nesorina tampoka tamin'ny toerany ny Ben'ny Tanana ao Bekopaka, Distrikan'Antsalova, Faritra Melaky, efa-bolana taty aoriana. Niakatra eto Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona, tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao...
Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Andrasana izay fehin-kevitra tapaka tamin'ny dinika momba ny “Îles éparses” tany Paris androany. Tsy tokony ho fiaraha-mitantana no ho valiny fa famerenana ireo nosy ireo amin'i Madagasikara, hoy ny Pasitera Edouard Tarahame... • Nanazava ny momba ilay fakana TVA 20 % amin'ny zana-bola aloa amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany... • Ny taranja Malagasy sy ny SVT no nisantaran'ireo mpiadina maherin'ny sivy alina sy roa hetsy ny fanadinam-panjakana BEPC androany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco