♦ Anio hariva ilay fotoan-dehibe ho an'ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao ankatoky ny famaranan'ny CHAN 2025. Tsy lalaovina fa tena alaina ho fandresena ny lalao amin'i Soudan hoy ny mpanazatra Maître Rôrô omaly... ♦ Mbola manamafy ny heviny ny KMF/Cnoe fa tokony hiantsoana ireo mpisehatra rehetra voakasika ny fanatsaràna ny lalàm-pifidianana... ♦ Miha-mihena ankehitriny ny velaran'ny farihin'Itasy noho ireo antony samihafa. Miha marivo ihany koa ny halaliny hoy ny tatitry ny sampandraharaha fanajariana ny tany sy tontolo iainana any an-toerana... ♦ Noroahin'i Australie hiala any aminy ny masoivohon'i Iran miasa any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...