Ny nanolorana ny Tompo sy ny nandiovana an'i Masina Maria ary ny fetin'ny Jiro masina no ankalazaina rehefa 02 febroary. Raha ny fanolorana ny Tompo no resahana dia ny Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Lioka no tena mitantara azy (Lk 2, 22-40).

Raha sendra sendaotra na sorena kely na mba tezitra kely amin'Andriamanitra isika, ary toa manomboka mametra-panontaniana maro Aminy, dia tsy inona no ataontsika amin'izany hoy ny Papa François fa misaritra ny fon'Andriamanitra Raintsika, mba hijery sy hitodika aty amintsika, ao anaty fahavoazana sy fahasahiranana ary olana maro. Anaty hatezerana dia misy hetaheta-po... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

2 febroary 2025 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Alahady 02 febroary 2025 : fankalazana manetriketrika ny nanolorana ny Tompo. Fanamasinana ny Jiro : Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao. Ity fotoana fankalazana ny nanolorana ny Tompo ity dia manamarika ny fotoana izay nankatoavan'i Jesoa ny lalàna ampahibemaso ary nitsena ireo vahoaka niandry Azy, eto ihany koa no fahataperan'ny andro fidiovana, araka ny lalàn'i Môizy, aorian'izay moa dia mandeha manolotra fanatitra ho an'ny Tompo. Ao amin'ny Fiangonana no toerana ahitantsika an'i Kristy sy hitsenantsika Azy. Ny fetin'ny Jiro masina dia manambara fahazavana izay famantarana an'i Kristy fahazavana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...