7 marsa 2025 — Zoma, manaraka ny Lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-15)
Marina fa tsy voatery hifady hanina toy ny taloha isika isaky ny zoma amin’ny karemy toy izao afa-tsy ny alarobia lavenona sy ny Zoma masina ihany, araka ny efa nambarantsika tany aloha; fa tsy mandrara kosa anefa izy raha mahavita izany. Ho resahana amintsika izao, izay fifadian-kanina izay araka ny Evanjely.
Nanao fampitahana ny mpianatr’i Joany amin’ny an’i Jesoa. Ry zareo sy ny Farisianina mantsy mifady hanina matetika fa ny an’i Jesoa kosa tsy mba mifady izany. Haintsika tsara io fampitahana io rehefa misy fanovana na fanatsarana na fifanoloana toerana. Gaga ireto mpianatr’i Joany mpanao Batemy raha nahita ireto mpianatr’i Jesoa toa tsy mifady hanina ka tonga nanontany Azy. Antony mahatonga an-dry zareo hifady ny fanarahan-dalàna: “Izao no lalàna tsy tapaka ho anareo: amin’ny volana fahafito, andro fahavalon’ny volana, hifady hanina ianareo, sady tsy hanao taozavatra akory, na ny tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo aminareo.” (Lev 16, 29); “Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hifady hanina, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’ny Tompo.” (Lev 23, 27). Ny dikan-teny sasany milaza hoe: Fampijalian-tena ka azo lazaina ho fifadian-kanina ihany izany. Midika izany fa efa fomba hatramin’ny ela ity fifadian-kanina ity matoa voasoratra anaty lalàna. Mety ny manara-dalàna fa tian’i Jesoa handeha lavidavitra kokoa isika ka tsy ny fomba ety ivelany loatra no tsara fadiana, na dia mihatra amin’ny vatana aza, fa ny ao anaty.
Indraindray izany fampitahana izany mety hanimba antsika fa manana ny antony izy matoa tsy mitovy amin’ny ataon’ny tena ka aza malaky mitsaratsara be fahatany. Somary sahirana mantsy isika rehefa misy zavatra tsy mitovy amin’ny fanaontsika satria matetika toa ohatran’ny antsika ihany no tena mety sy izy fa tsy izy ny an’ny hafa. Ho amin’ny tsaratsara kokoa matoa manova na manatsara! Koa aza mihevi-tena irery ho marina izany ka ratsy izay tsy mitovy amin’ny an’ny tena!
Sady mamaly i Jesoa no mampianatra. Fanontaniana mivaly fanontaniana ny eto, toy ny fanaontsika Malagasy. Oharin’i Jesoa amin’ny fampakaram-bady eto ny fiainany ka ambarany fa Mpampakatra Izy fa ny mpianany kosa zanaky ny mpampakatra ka raha mbola eo ny mpampakatra tsy mety izany fifadiana izany. Raha somary itarina kely dia hoe fanasana amin’ny fampakarana mandrakariva ny fiarahana amin’i Jesoa ka tsy mety ny mifady hanina. Ilaina anefa izany amin’izao fotoana izao, na tsy an-tery aza fa vokatry ny fo, mba hanaketraka ny filan’ny nofo sy hampitombo ny herim-panahintsika iadiana amin’ny ratsy. Fa ambonin’izany ny fifadiana ireo ratsy mahazatra antsika. Miatrika ady isika, indrindra mandritra izao karemy izao, dia ady amin’ny fakam-panahy; koa enga anie handresy foana isika. Manampy antsika izany ny fankalazana izao zoma voalohany izao.