Ny hafaliana sy fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao fotoana izao dia hafaliana sy fanantenana ary fahoriana sy ahiahin'ny mpanatr'i Kristy. Miainga amin'ny fotom-pampianaran'ny Fiangonana dia mikendry sy te hampiseho ny zava-misy marina eo aminy ny Fiangonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Ny Fanjakàn'i Jesoa Kristy no iankinan'ny asa mampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina. Ny Kristiana mazoto hampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina ary hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiava-namana dia tsy maintsy mahalala marina fa hahavita be izy ireo amin'ny fampandrosoana ny taranak'olombelona sy ny fandriam-pahaleman'izao tontolo izao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Matetika hita any amin'ny faritra na firenena tsy mandroso ara-toekarena loatra ny fisian'ny tany midadasika be tsy ampiasain'olona kanefa dia tokony ampiasaina hampitomboana harena. Mazàna dia olona vitsy mpikarama na mpanofa sombin-tany no mikarakara azy eo. Ireo miasa tena mifototra eny an-kianja anefa tsy mahazo karama ara-drariny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Manampy amin'ny fivelaran'ny  maha-olona hoy ny Eglizy ny fananan-javatra manokana ary ahazoany mampiasa ny andraikitra ao amin'ny tany ama-monina. Manan-jo ny olona hanana fananana manokana satria miantoka ny fizakan-tenany sy ny ankohonany izany, anefa tokony ho amin'ny antonony sy anaty fandanjalanjàna izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 7 aogositra 2026

• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...