Misy karazana fampianarana 16 isa navoakan'ny Konsily vatikana faharoa, ary izy ireo dia azo sokajiana 3 araky ny lanjany avy : Foto-pampianarana (miisa 4), Sori-dàlana (miisa 9) ary Fanabeazana (miisa3). Ny foto-pampianarana mahakasika ny fanambaran'Andriamanitra dia tena fototra mahakasika ny Litorjia, miankina be dia be aminy ny foto-pampianarana manodidina azy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Tsy misaraka ary mifampiankina ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Misterin'ny Trinite Masina no vaovao ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny boky manontolo Testamenta Taloha tamin'ny fitorian'ny Vaovao Mahavaly dia maka ny heviny ao amin'ny Testamenta Vaovao... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Manohy miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ireo iraka manambara ny Teniny sy mampahatsiahy ny Fanekena nataony tamin'ny vahoakany. "Teny marin'Andriamanitra" nampitain'ny olona "notsilovin'Andriamanitra" ny Testamenta Taloha. Ny mpaminany no mampatsiahy ireo mpanjaka ny lalàn'Andriamanitra, voaenjika koa anefa ireo mpaminany... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco