Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Noho ny maha-iray ny fandaharan'Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin'ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. Ny hevitra an'ohatra, ny hevitra ara-môraly, ny hevitra ara-tandindona. Ny hevitra ara-bakiteny mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an'ohatra manoro izay tsy maintsy inoana, ny hevitra ara-môraly mampianatra izay tsy maintsy atao, ny hevitra ara-tandindona... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Araka ny fombam-pitenenana iray nataon'ny Aba, dia tsara kokoa ny amakiana ny Soratra Masina ao am-pon'ny Eglizy, toy izay amin'ny fitaovana fampitana ny heviny. Satria, entin'ny Eglizy ao amin'ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina "... araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco