Taorian'ny nitsangan'i Jesoa tamin'ny maty dia niavaka ny fisian'i Masina Maria ho an'ny Eglizy sy ny Kristiana, Izy ilay Reny Masina mitondra ny hafatr'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo fisehoana. I Masina Maria dia môdely amin'ny fahamasinana, misongadina amin'ny hatsaram-panahy, sy ny fanoloran-tena. Masina Maria dia tandindon'ny vehivavy izay tsy very anjara amin'ny fanompoana sy fitoriana ny vaovao mahafaly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny anjara-toeran'i Masina Maria tamin'ny fampankaram-bady tao Kanà, fotoana voalohany nanaovan'i Jesoa fahagagàna, nanaovan'i Masina Maria fangatahana mivantana tamin'ny Zanany, nitarika ny Mpianatr'i Jesoa hino. I Masina Maria dia nakatoa mandrakariva ny tenin'Andriamanitra. Masina Maria dia nijoro tamin'ny finoana lehibe teo antampon'i Kalivery... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
I Masina Maria dia nanaiky ny sitrapon'Andriamanitra, izy dia vehivavy virijiny nanaiky ny hafatr'Andriamanitra, ilay Eva vaovao. Miasa Andriamanitra ary mandamina ny zavaboahary ; tsy kisendrasendra ny fiainana eto an-tany fa misy Andriamanitra mitantana. Môdely ho antsika amin'ny finoana i Masina Maria, manana finoana mihalavorary hatrany, mihamatotra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco