Manohy miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ireo iraka manambara ny Teniny sy mampahatsiahy ny Fanekena nataony tamin'ny vahoakany. "Teny marin'Andriamanitra" nampitain'ny olona "notsilovin'Andriamanitra" ny Testamenta Taloha. Ny mpaminany no mampatsiahy ireo mpanjaka ny lalàn'Andriamanitra, voaenjika koa anefa ireo mpaminany... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny hita ao anatin'ny Testamenta Taloha dia tantaram-pamonjena ho an'ny olombelona. Nifidy vahoaka iray Andriamanitra, nanehoany ny fitiavany hamonjy ny olombelona. Andriamanitra no nifidy an'i Abrahama, izay niavian'ny mpamonjy (Abrahama - Isaaka - Jakôba - Josefa) ; miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny iraka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny fizarana fahatelo dia ny "Katobim", misy tononkalo (poesie) sy teni-pahendrena, fitoriana fitiavana ; boky ohabolana misy teny mamy fampaherezana. Ny tokon-kira dia fampiasa amin'ny litorjia, mifanandrify amin'ny volana maro ao anatin'ny taon iray : Rota, Estera. Mifamatotra amin'ny fiainan'ireo Jody ny tononkalo, tononkira, ohabolana toy ny hoe fanangonam-bokatra, fahatsiarovana ny fanafahana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco