Ny saina mahiratra araka ny fikarohan'ny olombelona ary tsy mivaona fa sady lavorarian'ny fampianaran'i Kristy no manampy antsika hahazo ireo zava-misy ireo. Miankina be dia be, amin'ny firoborobon'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny hafinaretan'ny olona sy ny fokonolona. Ny Mpivady no fototra voalohany mampirindra ny fiaraha-monina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
Hatramin'ny fiandohan'ny tantarany mihitsy ny Eglizy no efa niezaka nanambara ny hafatr'i Kristy tamin'ny fampiasana ny fomba fihevitra sy fitenin'ny firenen-tsamihafa. Miohatra amin'ny fivoarana misy, izay tsy azo ihodivirana dia mandroso miaraka amin'izany koa ny fandraisan'ny Eglizy izay fivoarana takian'ny toetr'andro sady mifanohana amin'ny Vaovao Mahafaly... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Raha diso amin'ny adidy ara-nofo ny olombelona dia diso eo anatrehan'Andriamanitra. Ny Kristiana dia olom-pirenen'ny tany sady olom-pirenen'ny Lanitra. Amin'ny alalan'ny fihetsika andavanandro no anehoana finoana. Ny eveka dia mitarika ny Eglizy ka adidiny, otronin'ireo pretrany ny hitory ny hevitr'i Krisy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Eglizy dia tsy voafehin'ny rindram-pandrosoana manokana (môdelim-pitantanana ekônômika, na pôlitika, na vondrom-pihaviana na firazanana) hany ka katsahiny ny firaisan'ny olombelona rehetra (tranobe iombonana ity tany onenantsika ity hoy ny Papa François) Ny Eglizy ao amin'i Kristy dia toy ny Sakramenta... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco