Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny sitrapon'Andriamanitra dia ny hahamasina antsika. Io fahamasinana io ilay lazaina hoe "antso fototra sy lavorary indrindra" iantson'Andriamanitra antsikra rehetra. Natao ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka ny fahamasinana. Ao amin'ny Eglizy dia ny olona rehetra na ireo mpifandray amin'ny fitondrana na ireo andrasany "lahika" dia samy antsoina ho amin'ny fahamasinana... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny atao hoe " Antso loloha lanitra" dia antso ho an'ny besinimaro, antso tsy hanavahana na iza na iza ao amin'ny Eglizy. Ny fahamasinana na ny fahalavorariana no antso 'Loloha lanitra" na hoe antso iombonana amin'ny Eglizy. Antso sy natokana ho an'olom-bitsy ary tsy hanavahana na iza na iza, fa natao ho an'izay ambaratonga rehetra misy ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Nandray ny fahasoavana manokana ho mpanamasina, ho mpampianatra ary mpiandry ondry, mpitantana ireo nandray ny Sakramentan'ny Filaharana, noho izany dia voatokana ho maka fanapahan-kevitra noho izy mpisolo toerana an'i Kristy. Ireo mpiandry ondry dia aoka hitantana ireo andian'ondry nankinina taminy amim-panajàna, am-pitiavana ary amim-pahendrena, indrindra rehefa manankina andraikitra amin'ireo Lahika... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...