Ny olombelona dia manana faniriana lalina hahafantatra ny tontolo sy ny tenany, izay miseho amin'ny fandalinana ny siansa sy ny teknôlôjia, fikarohana momba ny filôzôfia, ny kolontsaina. Ny fiangonana dia miantso ny olombelona hanatratra ireo hetaheta ireo amin'ny fomba marina sy mahafeno, amin'ny alalan'ny fanomezana fahazavana avy amin'ny Evanjely sy ny fitiavan'Andriamanitra, fanampiana ny olona hiaro ny maha-olona sy hanaja ny hafa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Miaina fiovan-toetsaina lalina ihany koa ny olona ankehitriny, izay miseho amin'ny fanalavirana ny fomba fijery mahazatra, faniriana hahatakatra ny olombelona amin'ny fomba vaovao misokatra amin'ny fomba fijery maneran-tany. Ireo fiovana ireo dia mitaky ny olona hahay mandinika ary mandray fanapahan-kevitra amin'ny fomba mahaleotena, tsy miankina amin'ny fahazarana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny fiovana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina dia miseho amiin'ny fanovana ny rafitra ara-pianarana, asa, sy ny fitantanana, fanitarana ny fahalalana sy ny fidirana amin'ny vaovao, fivoaran'ny fomba fiainana sy ny soatoavina, fiovan'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny vondrom-piaraha-monina. Ireo fiovana ireo dia mitaky fahatsiarovan-tena sy fanabeazana vaovao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco