Antsoina hoe "Renin'Andriamanitra" i Masina Maria satria niteraka ny zanak'Andriamanitra ho olombelona, ho ety ambonin'ny tany. Isan'ny vahoakan'Andriamanitra mila famonjena ihany koa i Masina Maria reniny. "Theotokos" dia hanondroana an'i Masina Maria, atao hoe "Renin'Andriamanitra", zava-boahary niteraka ny zanak'Andriamanitra, Andriaminitra sady olombelona i Jesoa... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Masina Maria dia olombelona tahaka antsika ihany na niaraka niaina tamin'i Jesoa aza, niaina izay iainan'ny olombelona rehetra. Masina Maria dia miandry famonjena toa antsika olombelona, ary zavaboahary toa antsika. Masina Maria dia nandray anjara tamin'ny fahatanterahan'ny tantaram-pamonjena. Masina Maria no nofidin'Andriamanitra ho reny hiteraka ny Zanany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Andriamanitra Trinite Masina, Andriamanitra Tokana Olona Telo no loharano ipoiran'ny fahamasinana ; noho izany dia hitombo voninahitra hatrany ilay Trinite Masina tokona tsy azo sarahana ipoiran'ny fahamasinana rehetra ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'i Kristy. Antso sy andraikitry ny Kristianina vita Batemy rehetra ny ho mpitory ny Vaovao Mahafaly manerana an'izao tontolo izao... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco