Ny fahasalamana no voalohan-kerena ary ambara fa tototry ny zavatra rehetra. Inona no tanjona ara-pahasalamana? Ny famaritana ny tanjona ara-pahasalamana dia antoka iray hatrarana sy havitàna zavatra iray, noho izany dia zava-dehibe ny hanana fahasalamana : Fahasalaman'ny vatana, saina, fo, fanahy... 

♦ Olona efajato avy any atsimon'ny nosy no tonga tao Fianarantsoa, hila ravin'ahitra an-tany hafa, noho ny kere mihatra any amin'ny faritra misy azy... ♦ Nahemotra ho amin'ny 1 febroary 2021 ny fitsarana ilay raharaha volamena 73,5kg, tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Olona iray alina miasa eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany, no hisitraka ny tetik'asa "Miatrika Covid", mandritra ny 12 volana...

♦ Nodimandry androany tolakandro teo amn'ny faha-89 taonany i Mompera Mario Prina, avy amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Mitsoaka ny kere any amin'ny faritra misy azy ireo mponina any atsimon'ny nosy... ♦ Tsy raikitra androany ny fitsarana ireo Malagasy telolahy, atsy Afrika Atsimo, nitondra volamena antsokosoko...

♦ Hohainoina voalohany eo anivon'ny fitsaràna ambaratonga voalohany atsy Afrika atsimo anio ireo olona 03 tratra nanondrana volamena... ♦ Havoaka rahampitso ary hatolotra ny  antenimierandoholona ilay fanadihadiana momba ireo raharaha nafampàna niseho teto amin'ny firenena... ♦ Tokony ho voatendrin'ny filoham-pirenena amin'ity herinandro ity ireo loholona miisa 06, hiasa eny Anosikely...

♦ Velaran-tany mahery ny 75000Ha no hovolena hazo manerana ny Nosy amin'ity taona ity... ♦ Sekolim-panjakana, Ambaratonga fototra dimampolo, eto Madagasikara no hisitraka fotodrafitrasa momba ny rano fidiovana amin'ity taona ity, ao anatin'ny Tetik'asa Sakaizan'ny Wash... ♦ Mikasa ny hanongana mialoha ny fotoana, ny filoha am-perinasa Donald Trump ireo eo anivon'ny Kôngresy amerikana...

♦ Miakatra indray ny isan'ireo olona tratran'ny Coronavirus, eto Madagasikara... ♦ Manjavozavo ny fihazakazahan'ny mpitondra fanjakana, nametra fitoriana tamin'ilay raharaha volamena tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Hisitraka EPP manara-penitra telo ny ao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo...

Tamin’izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo : "Efa very saina Izy".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera ; ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba, izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra ; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

Tamin’izany andro izany: Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy. Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka fandrao dia poritin’ny olona Izy. Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe : "Ianao no zanak’Andriamanitra" ; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Indray Sabata, i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao. Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana : "Mitsangàna etsy afovoany". Ary hoy koa Izy tamin’ny olona : "Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe : "Ahinjiro ny tananao". Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany. Ary lasa nivoaka ny Farisianina : ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.

Indray sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy : "Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata ?" Fa hoy Izy taminy : "Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy ? Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa". Dia hoy koa Izy taminy : "Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no ho an’ny sabata. Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza".

Tamin’izany andro izany : fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe : "Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady ?" Ary hoy i Jesoa taminy : "Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy ; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao ; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta ; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra ; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa".

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...