Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany, dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.
Indray andro i Jesoa, dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana". Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany".
♦ Velon'aina ny roa tamin'ireo mpandeha efatra tao amin'ilay angindimby nianjera tany amin'ny ranomasina manakaiky ny distrikan'i Fenoarivo Atsinanana omaly hariva. Anisan'ireo avotra ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zadarimariam-pirenena, rehefa nilomana adiny roa ambin'ny folo... ♦ Nampangaina ho mpanao pôlitika ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha manohitra ilay volavolan-dalana mifehy ny fananan-tany. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitra...
♦ Ny Diôsezin'Antsirabe, manomboka androany no nandray indray ny Lakroa sy ny Icône an'ny JMJ Mada... ♦ Misaona ny tontolo pôlitika sy ny fampianarana amabaratonga ambony. Nodimandry androany maraina ny Minisitra teo aloha sady mpanao pôlitika, Andriamatoa Jean Théodore Ranjivason... ♦ Nisondrotra ny saran-dalana amin'ny Taxi-brousse miainga eto Antananarivo mankany amin'ny Faritra. Niakatra iray alina Ariary eo izany raha mitaha amin'ny hatramin'izay...
♦ Tontosa androany teny amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny Eokaristia Masina hitondrana ny Lakroa JMJ mankany amin'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ny Papa Fraçois noho ny tsingerin-taona nahaterahany ny 17 desambra teo, ny tao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanainga ny mpino rehetra ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus, mba haka tahaka an'i Masina Maria, hijery : ambony mandrakariva ary hamakivaky ny tontolo andro amin-kafaliana eo am-panampiana ny hafa...
Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: "Tsy manan-divay izy ireo". Ary hoy i Jesoa taminy: "Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako". Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: "Ataovy izay rehetra holazainy aminareo". Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Fenoy rano ireo siny ireo". Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: "Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana". Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: "Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny".
Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
♦ Efa an-dalana eny amin'ny lalam-pirenena fahafito "RN7" ny Lakroa JMJ Mada rehefa niala teny amin'ny Ekar Mangasoavina ny maraina teo... ♦ Nisitraka trano fiangonana sy fanomezana ny ivon-toerana Fanarenana eny Anjanamasina, izay ahitàna ankizy 96... ♦ Saika niroso tamin'ny fialantsasatra mialoha ny fotoana voafaritra ny ankamaroan'ny sekoly hoy ny ministra mpiahy...
♦ Hiainga anio eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo hihazo ny Diôsezin'Antsirabe ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Tafakatra avo roaheny tamin'ny antontanisa farany nivoaka ny isan'ireo lavon'ny Covid-19... ♦ Vonona ny hitondra ny anjara birikiny ho famerenana ny hasin'ny fanabeazana ny kaonfederasiona sendikaly Sempama...
♦ Mampaneno lakilosy ny vondron'ny tantsaha mpamokatra eto amintsika fa raha mitohy ny hain-tany amin'izao fotoana izao dia hihamafy ny tsy fahampian-tsakafo amin'ny taona ho avy... ♦ Maro ny olana sedrain'ny firenena vokatry ny toe-java-misy iainana ankehitriny hoy ny filohan'ny Senat nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoa, saingy mahavelombolo ny ara-toekarena... ♦ Navoaka omaly tao amin'ny sekoly ambonin'ny zandarimaria ao Moramanga ny zandary andiany efatra nahavita fiofanana...
♦ Mankasitraka ny asa vitan'ny governemanta amin'ny ankapobeny ny filohan'ny Antenimieram-pirenena raha namarana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Nomelohan'ny Fitsaràna sazy an-terivozona 20 taona i Paul Rafanoharana tamin'ny Apollo 21, 10 taona ho an'i Marc François Philipe. Afaka madiodio ireo zandary sy miaramila voarohirohy... ♦ Mitaky ny hanafoanana ny lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara miraka amin'ny SIF...
Sabotsy 25 desambra 2021 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18
Zoma 24 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan'ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin'ny vovo-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79
♦ Nomelohin'ny Fitsarana, sazy asa an-terivozona 20 taona i Paul Rafanoharana, tamin'ny raharaha Apollo 21... ♦ Mankasitraka ny asa vitan'ny Governementa, amin'ny ankapobeny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, raha namarana ny fotoam-pivoriana faharoa, tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Natomboka androany ny fanamarihana ny taona folon'ny famokarana tantanam-pianakaviana, ho antsika eto Madagasikara...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco