Ny zava-nisy dia nifarana ny ady tao amin'i "Golfe de Persique". Namaha ny olana teo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa no votoatin'ity ansiklika ity. Isan'ny olana goavana ny fampiasana renivola sy ny asa, izay nampisongadina ny elanelana teo amin'ny mahantra sy ny mpanana. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ao am-pon'ny Papa François i Madagasikara matoa izy tonga taty, porofo izany fa manana raiamandreny mpiahy isika. Manaja sy mankato an'ny Papa Fransçois ny Malagasy matoa nanasa azy hanao fitsidihana teto amin'ny nosy. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Soatoavina tsara indrindra ary handrisian'ny Papa François ny Malagasy mba handala izany hatrany ny "Fihavanana". Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Nisongadina tamin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny Malagasy ny "firaisan-kina" izay endrika iray hisehoan'ny fihavanana. Natao hifandray sy hifameno ny olombelona fa tsy hiolonolona. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Fahasoavana avy amin'Andriamanitra ny harena voajanahary. Tsy afaka misaraka fa mifampiankina ny fahaveloman'ny olombelona sy ny voahary hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny Papa François dia nosalorana ny anarana hoe mpamafy fiadanana. Miandrandra fiadanana ny vahoaka malagasy. Toetra maneho ny maha andriamanitra an'Andriamanitra ny fiadanana. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fiadanana dia tsy maintsy aorina ao amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fitiavana sy ny fahamarinana. Tsy maintsy toherina ny "ady" satria tsy vahaolana fa maika aza miteraka olana hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fikatsahana ny fiadanana dia miara-dalana amin'ny demôkrasia. Ny fiangonana dia mankasitraka ny demôkrasia ; tsy misy demôkrasia marina raha tsy ao amin'ny tany tan-dalàna. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Solombavambahoaka am-perinasa, ministra teo aloha, miampy karana telo amin'izao no namoahana didy tsy fahafaha-mivoaka an'i Madagasikara. Samy voarohirohy amin'ny fanondranana harem-pirenena ireo... ♦ Mandrahona hitokona indray iseo Paramed eny anivon'ny Hôpitaly. TSy mbola naharay ny valin-kahasasarana avy amin'ny fanjakàna nandritra ny covid-19 tamin'ny taona 2020... ♦ Mitaky ny hampiharana ny fanalefahan-ketra ho azy ireo ny sendikàn'ny mpanao asa tanana, izay efa voafaritry ny lalàna, anefa mbola mijanona ho fampanantenana hatramin'izao...
Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...
Alakamisy 24 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23
♦ Mandrisika ny Bianco sy ny PAC tsy hihemotra amin'ny fanadihadiana lalina amin'ilay raharaha famoahana volabe teo anivon'ny CNaPs ny SSM... ♦ Sesilany ny fitokonana eny anivon'ny Anjerimanontolo sasany eto Madagasikara, mitaky ny fandoavana vatsim-pianarana. Nitokona omaly ny mpianatry ny Oniversite Fianarantsoa sy Mahajanga... ♦ Nohafahan'ny fitsaràna ireo efatra mirahalahy nohampangaina ho namono ilay mpandraharaha indo-pakistanais Danil Radjan...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco