♦ Nanara-dia ny fiakaran'ny vidin-tsolika ny saran-dalana sy ny vidin'ny entana ilaina andavanandro... ♦ Mila fandaminana ny tontolon'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara mba hirindra araka ny tokony ho izy ary ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka malagasy, hoy ny filohan'ny sendikà Sypromines Mada... ♦ Mitaky ny fialan'ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera ankehitriny tsy ho mpiahy azy ireo intsony ny mpanakanto nofidian'ny artista mpamorona sy mpikambana izay misolo tenan'ny mpanakanto ao anatin'ny filan-kevi-pitantanan'ny OMDA... ♦ Nihena ho 06 ny isan'ireo kandida hifaninana handimby ny praiministra britanika Boris Johnson...

♦ Niakatra avy hatrany, fotoana vitsy tao aorian'ny fikaran'ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana, ny vidin'ny entana ilaina andavanandro eto amintsika... ♦ Nampiakatra ny saram-pitaterana 40 hatramin'ny 50%, ny vondron'ireo mpitatitra amin'ny fiara vaventy manerana ny nosy, nanomboka androany. Voakasik'izany ny fitaterana ireo entana ilain'ny mponina andavanandro... ♦ Mitaky ny tsy ho eo ambany fiahian'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera am-perinasa intsony, ireo mpanakanto ao anatin'ny Filakevi-pitantanan'ny OMDA. Nanao fanambarana teny Faravohitra, natrehan'ny artista maro izy ireo, androany...

Ny andry voalohany mampijoro ny tena atao hoe rariny sy hitsiny dia ny "tena zava-misy" marina. Izany hoe tsy tokony ho lavina fa tena misy tokoa ireo olom-bitsy izay azo lazaina fa manontany ny ory ary ireo olona tsy mitsaha-mitombo isa tsy manana ny hasina maha-olona azy. Ny andry faharoa dia ny fitaovana na ny fahafahana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny andry fahatelo mampijoro ny rariny sy ny hitsiny dia "ny hafa" : tsy misy hoy ny Papa François, ny rariny ara-piaraha-monina azo andrandraina raha tsy misy ny firotsahana tsy misy fepetra ho an'ny hafa. Ny andry fahaefatra dia ny tantara, izay ipohiran'ny traikefa rehetra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny Pape François dia mitodika manokana amin'ireo sokajin'olona misahana raharaham-pitsarana. Ny asan'ny mpitsara hoy izy dia tokony ho vonton'ny fiheverana tsotra izao fa isaky ny mamaha olana amin'ny alalan'ireo lalàna maro izy ireny dia manome ho an'ny mahantra ny tena zava-dehibe ilainy. Omeo ny mahantra ny anjarany izay azy. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny rariny sy ny fahamarinana dia toy ny tononkalo na poezia. Ny Pape amin'ny mahaolon'ny haisoratra azy dia manana fomba fijery sy fandinika mampiavaka azy, notsiahiviny fa ny mpitsara dia oharina amin'ny poety, ny mpitsara dia manana iraka manokana mba handrafitra poezia hitsaboana ny ratran'ireo mahantra, eo amin'izao tontolo izao. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Manana adidy manokana ny olombelona hiezaka tsy tapaka hanakatra ny fahamarinana, ka hanaja azy ary haneho azy ao anatin'ny fandraisana andraikitra. Misy lanjany manokana mihitsy, eo amin'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ny miaina ao anatin'ny fahamarinana : mirindra ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ao amin'ny olombelona, ny fahafahana dia famantarana ambony dia ambony an'ilay endrik'Andriamanitra. Noho izany, famantarana ihany koa ilay fahamendrehana tsy anoharana ananan'ny olona tsirairay. Ampiasana ny fahafahana eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, manana zo voanjanahary ho raisina ho olona afaka ny tsirairay. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Voahaja ny hasin'ny fahafahana, izay maneho fa tokana aman-tany ny isam-batan'olona, rehefa avela hanatanteraka ny antso niantsoana azy manokana ny tsirairay ao amin'ny fiaraha-monina ; rahefa avela hikaroka ny fahamarinana izy ary hanambara am-pahibemaso ny hevitra ijoroany ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-politika ; rahefa tsy tampenam-bava. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny rariny dia soatoavina tsy misaraka amin'ny fanatanterahana an'ilay hatsaram-panahy fototra ara-môraly mifanandrify aminy. Araka ny fomba mahazatra indrindra ilazana azy, ny rariny dia tsy inona fa ny finiavana, mitozo ary matotra, an'Andriamanitra sy ny namana ny zavatra tokony homena azy ireo. Raha tombanana avy ao anaty, ny rariny dia taratra amin'ny fihetsika baikon'ny finiavana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Taratra ho manana ny lanjany manokana tokoa ny rariny, eo anivon'ny toe-java-misy ankehitriny, satria ao anatin'izany, ankoatra ny fanambaràna ny fahavononana, dia ny soatoavina mahaolona, ny hasiny sy ny zony no tandindomin-doza noho ny fihanaky ny firehana tsy manam-penitra afa-tsy amin'ny zavatra ilaina sy ny fananana azy. Ny rariny dia tsy fifanarahana ifanaovan'ny olombelona fa ilay maha-olona. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny marina feno fatra momba ny olombelona no ahafahana mihoatra an'ilay fomba fijery ny rariny ho "fifanarahana" ihany, izay fomba fijery voafetra ; ary mbola ahafahana manokatra ny sehatry ny firaisan-kina sy ny fitiavana hidiran'ny fahamarinana. Tsy ampy raha rariny fotsiny, mety ho tonga hatramin'ny hoe hitsipaka ny tenany aza izy, raha mikiry tsy misokatra mandray ny fitiavana izay manan-kery. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...