1 desambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
Eo anatrehan'ny fiaraha-miasan'ny Fanjakana sy ny Eglizy dia hamafisin'ny DSE fa "ny fizakan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany, eo amin'ny Eglizy sy ny ankohonana pôlitika dia tsy mitarika fisarahana tsy ahafahana fiaraha-miasa : izy roa tonta, na dia amin'ny lafin'ny samy hafa aza dia samy natao hikarakara eo anivon'ny vahoaka iray amin'ilay antso miantefa amin'ny isam-batan'olona...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
♦ Mitohy ny fanadihadiana an'ireo miaramila manamboninahitra roa avy amin'ny tafika malagasy nahiditra eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy hoy ny lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika, ny jeneraly Andrianasimanana William... ♦ Hanao ady sisika hanohanana ny tetik'asa fiarovana ny tontolo iainana ataon'ny malagasy tanora ny mpitantana ny orinasa Bondy misehatra amin'ny fambolen-kazo. Handray anjara amin'ny fivoriana iraisam-pirenena andinihana ny momba ny fihafanan'ny tany any Dubaï na ny COP 28 izy... ♦ Misy akony mafy amin'ny tsifanjarian-tsakafo ao amin'ny Faritra atsimo-atsinanana ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny fambolena. Mitombo ny maitso ahitra iainan'ny mponina rehefa misy ny loza voajanahary...
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)
Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:
“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’
Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:
“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Vonona hiaro ny voka-pifidianana filoham-pirenena avoakan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana rahampitso ny Emoo Nat. Tsy azon'ny mpitandro filaminana atao koa ny miteny amin'ny anaran'ny tafika hoy ny lefitry ny lehiben'ireo Etamajaorin'ny tafika malagasy... ♦ Ampamaranana ankehitriny ny asa fandavahana ny vava fantsona ao amin'ny reniranon'i Efaho, Kaominina Manambaro ahafahana manatanteraka ny tetik'asa fitarihandrano na ny "Pipeline Efaho... ♦ Handray anjara amin'ny fihaonana antampon'ny firenena mikambana andinihana ny tokony hatao momba ny fihafanan'ny tany sy ny fiovan'ny toetr'andro any Dubaï, na ny COP 28, ny delegasiôna tarihan'ny UNICEF ahitana malagasy tanora 10 mianadahy...
♦ Tsy hanaiky ny asa fanakorontanana amin'ny endriny rehetra, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, eo am-piandrasana ny famoahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny vokatra ôfisialy tamin'ny fifidianana, ny EMMO-NAT... ♦ Miroso ny fanatanterahana ny tetik'asa "Pipeline Efaho", fitarihan-drano miala any amin'ny reniranon'i Efaho, Distrikan'i Taolagnaro, mihazo ny kaominina maro any amin'ny faritra atsimon'ny nosy... ♦ Isan'ny firenena folo maneran-tany voasokajy ho iharan'ny fiovan'ny toetrandro i Madagasikara, nefa tsy isan'ireo mpandoto, na mandefa ny entona mangeja hafanana...
♦ Ho fantatra afaka roa andro izay ho Filohan'ny Repoblika, hitantana an'i Madagasikara ao anatin'ny dimy taona. Hotontosaina amin'ny zoma izao ny famoahan'ny HCC ny voka-pifidianana ôfisialy... ♦ Mbola manohy ny dingana entina hanatrarana ny fitakiany, ny vondron'ireo kandidà. Nisy ny fanaterany "mémorandum" teny amin'ny Vondrona Eorôpeana omaly... ♦ Maika loatra ny hanana ny diplaoma bakalôrea ireo mpianatra eny amin'ny lycée ka vitsy ireo misafidy ny "Série scientifique"...
♦ Nanamafy ny fisian'ny Manamboninahitra roa lahy avy ao amin'ny Tafika izay nikasa hikomy, ny Tonia Mpampanoa Lalàna, eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo... ♦ Nahazo rariny teo amin'ny Fitsarana Antampony ny mpitarika ny Sendikà Asa, Fama Razafimahazo. Nampiatoin'ny Fitsarana ny famindran-toerana azy any amin'ny rantsan'ny Antenimieran-doholona any Antsiranana, araka ny didiy nivoaka... ♦ Asa fampihorohoroana no nandikan'ny Solombam-bahoakan'i Vondrozo, ny tranga fanapahan-doha any amin'ity Distrika ity...
♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana androany, ny Ray aman-dreny ara-drazana mijoro. Nambaran'izy ireo fa nisy hosoka sy tsy fanarahan-dalàna maro tamin'iny fifidianana izay ho Filoham-pirenena lasa teo iny... ♦ Nodinihina tanatin'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan'ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024... ♦ Nitombo ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy mahery vaika any Faritra Atsimo-Atsinanana, tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai sy Emnati, hoy ny Governoran'ny Faritra...
30 nôvambra 2023 — Masindahy André, Apôstôly — Fety — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco