Ny fiangonana mampianatra mikasika ny fiaraha-monina sy ny hay fitantanana ary ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny vahoaka. Ny fiangonana dia mampianatra fa ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, natao hikatsaka ny soa iombonana ary ihany koa tsy manavakavaka ; mifanaja sy mifampitaona ho amin'ny fiombonana sy ny fihavanana.

Ny Eglizy dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Napoléon Bonaparte no nanorina sy namorina "code civil" ny taona 1804, ary saika izy avokoa no fototry ny lalàna sy ny rafitra misy ankehitriny. Isany soa napetrany tamin'izany ny famoronana ny sekoly, sy ny rafitra fitantanam-bolam-panjakana, ny fametrahana ny antenimieran-doholona sy ny rafitra fiarovana ny olona sy ny fananany.

Sarobidy ny aina koa aoka tsy hatakalo vola na akanjo na satroka na rindran-kira na fanentanana hafa, satria io no sarobidy indrindra amin'ny fanomezana nomen'Andriamanitra antsika, miampy ny fahasalamana. Tokony homalina hatrany isika satria maro ireo teti-dratsy manosika antsika samy Malagasy ho any amin'ny ady an-trano. Endrika famosaviana ny mpiray tanindrazana ny ezaka fanakorontanana, mety hataon'ny andaniny na ankilany koa samia mindanjalanja ny hatao...

Manentana ny kristiana rehetra mba hiombom-po aina sy hanadram-bavaka ho an'ny firenena, manoloana izao kihon-dalana, sy ho an'ny soa iombonana. Efa betsaka ny ra latsaka sy ny aina efa nafoy, nanomboka ny taona 1972, noho izany dia miantso fitonina ho an'ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hampanjaka ny rariny, hanaja ny soatoavina. Ilaina ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...