Manentana ny kristiana rehetra mba hiombom-po aina sy hanadram-bavaka ho an'ny firenena, manoloana izao kihon-dalana, sy ho an'ny soa iombonana. Efa betsaka ny ra latsaka sy ny aina efa nafoy, nanomboka ny taona 1972, noho izany dia miantso fitonina ho an'ny rehetra. Manentana ny rehetra mba hampanjaka ny rariny, hanaja ny soatoavina. Ilaina ny fahaizana mifampihaino sy mifanakalo hevitra.

Ny tsirairay dia manana andraikitra mba ahazoana antoka hisitrahana ny zo hifidy. Ny fitoniana ara-politika, ny filaminana dia hitondra an'i Madagasikara amin'ny lalana tsara. Adidin'ny tafi-bahoaka ny mandray andraikitra amin'ny fiarovana ny ain'ny olona sy ny fananany sy ny rafi-pitantanana. Ny rehetra dia entanina mba handala ireto lalan-tsaina ireto : mandinika, manatanteraka ary manao jery todika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...