Ny Sakramenta fito dia tandinona na "symbole" na "mysterium" ary famantarana araka ny voalazan'ny katesizy. Ny ao amin'ny Sakramenta dia Andriamanitra ary Izy irery ihany no afaka miasa ao amin'ireo Sakramenta ireo. Ny Sakramenta dia tsy miankina velively amin'ny fahamasinan'ny olona fa miankina amin'Andriamanitra, mifamatotra amin'ny finoan'ny mpanome sy ny mpandray. Natao iainana ny Sakramenta ka na iza na iza nandray an'ireo dia tokony haneho izany eny amin'ny fiaraha-monina, maneho ny maha kristiana. Ny sakramentaly dia famantarana toy ny sary, isan'ireny ihany koa ny Voady, famehezan-tena...

Mankahala ny fahotana ny Andriamanitsika fa tia ny mpanota ary maniry ny hibebahany. "Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana ka aza manota intsony" jn 8, 11. Ny taona 2024 dia miavaka satria voatokana ho an'ny taonan'ny vavaka ary mampita antsika ho an'ny amin'ny Jaobily lehibe faha-2025 nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra teto an-tany. Ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany ; ny olona rehetra samy tiany ahazo anjara amin'ny fanavotana nentiny. Ny Eglizy katôlika dia tsy mitso-drano ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana, satria tsy misy ao amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy izany no sady tsy nolazain'ny Papa. Ny famindram-po sy ny tsy fanilihana no mibaiko ny Eglizy hitso-drano ny zanany...

Zavatra roa samy hafa ny "Mazistera" sy ny "teôlôjia" anefa mifameno : iry voalohany fampianarana avoakan'ny Papa sy ny Eveka mikasika ny fitondrana ny vahoakan'Andriamanitra ; ny teôlôjia kosa dia fandalinana sy fianarana momba an'Andriamanitra sy ny finoana, fanadihadiana mifototra amin'ny fiekem-pinoana. Ny Eveka tsirairay no manana ny andraikitra maha mety ny hanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa Ray Masina mba hifanaraka amin'ny fomban-tany iray. Ny fampianaran'ny Fiangonana dia mitandro hatrany ny fiarovana ny aina...

Taratasy ôfisialy mikasika ny fitsofan-drano ny mpivady : Tsy manova ninoninona amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy sy ny finoana nifandovana hatramin'ny ela tamin'ireo Apôstôly io taratasy io ; ary hamafisina hatrany fa tsy misy "mariazy" azo atao ho an'ireo olona mitovy fananahana. Isany fahotanana miandry valiny mivantana avy amin'Andriamanitra : famonoana olona an-tsitrapo,  fahotana maloto mifanohitra amin'ny maha voajanahary, fanesoana ny mahantra sy fanimbazimbana. Tsy ny mpanotana no halan'Andriamanitra fa ny fahotana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...