Misy amin'ny tanora tsy lasa lavitra amin'ny fianarana, noho ny antony maro samihafa. Samy manana ny fahaiza-manaony avy anefa izy ireny araka ny sokajy misy azy avy. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Tsy natao hampifanipaka ny fahasamihafana fa hifamenoana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alarobia 28 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46

♦ Tonga androany tolakandro tetsy amn'ny seranam-piaramanidina tety Ivato ny vakisiny Johnosn & Johnson, fanomezana avy amin'ny Fanjakana amerikanina. Hisitraka maimaim-poana izany ny Malagasy maniry hatao vakisiny, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny... ♦ Hamatsy vola amin'ny famatsian-drano, amin'ny tanana miisa 16 any amin'ny Distrikan'Ambovombe sy Amboasary Atsimo ny PAM. Olona miisa 16000 no kendrena hahazo rano fisotro madio avy amin'izany...

♦ Nosamborina androany maraina tao amin'ny trano fonenany i Sareraka. Izy no olona faha-fito voasambotra, voarohirohy amin'ny voalaza fa fikasàna hamono ny filoham-pirenena... ♦ Ho tonga anio tolak'andro eto Madagasikara ireo vaksiny "Johnson and Johnson" avy amin'ny fanjakàna Amerikàna, daozim-baksiny maherin'ny 300 000 izy ireto... ♦ Totoafo amin'izao ny hetsika iadiana amin'ny asan-dahalo any amin'ny Faritra Melaky sy Menabe, hiova tsikelikely ho ZDS ilay andian-tafika manokana mampandry tany any an-toerana hoy ny kômandy mpitarika izany... 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...