Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.

♦ Asa miandry ny mpikambana vaovao ao amin'ny birao maharitry ny vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon'olombelona ny fandraisana an-tanana ny fitarainana voaray, mahatratra 500... ♦ Miisa 8 ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina coronavirus araka ny tatitra nivoaka omaly ka tao Mahatsiatra-Ambony no maro an'isa... ♦ Nampitaraina ireo izay nampiasa ny lalàna teny amin'ny manodidina an'Antanimena, Behoririka, Ankorondrano ny lamina vaovao nampiharin'ny mpandrindra ny fifamoivoizana, naharitra ora maro ny fitohanana...

Maro ireo tanora no tsy mahafantatra ny talenta ao aminy, ary lasa mikombona anaty. Tojo fahasahiranana izy ireny ka toroina hevitra mba tsy hikombona amin'ny tenany. Nijery dia nitia azy ireny Jesoa, ary manana adidy hikolokolo sy hikarakara azy ireny koa isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alakamisy 29 jolay 2021 — Masimbavy Marta — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 19-27

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...