Ny Evanjely dia avy amin'ny Apôstôly ary ny votoatiny dia ny toritenin'ny Apôstôly. Ny fiangonana dia nitana ary mitana fa ny fiavian'ny vaovao mahafaly efatra dia ny Apôstôly. Ireo zavatra notorian'ny Apôstôly araka ny baikon'i Kristy, nampitain'ireo Apôstôly sy ireo lehilahy niara-belona taminy avy eo, noho ny fitsofan'ny Fanahin'Andriamanitra no fototra iorenan'ny finoan'ny kristiana... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...
♦ Nangataka ny famindram-pon'ny filohan'ny repoblika hanafaka ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre any am-ponja ny vadiny sady Ben'ny tanànan'i Vangaindrano. Hojerena ny momba izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Misy ireo olona nofonjaina amin'ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna hoy izy... ♦ Mifampitaona eny Ambohijatovo indray androany ireo tanora Gen Z sy ny mpiara-dia aminy. Hentitra nefa ny fitandroana filaminana avokoa ny lalana miditra an'Analakely sy Ambohijatovo... ♦ Tsy marina hoy ny Fitsaràna fa misy amin'ireo mpianatra nosamborina nanao fihetsiketsehana notazomina am-ponjy vonjy maika no tsy noraisin'ny mpandraharahan'ny Fonja...
♦ Miantso fitokonambe anio ny tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Miroso amin'ny fitokonana faobe koa ny sendika efatra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Baolina kitra : voahazon'ny Barean'i Madagasikara ny laharana faharoa ao anatin'ny Vondrona I, misy azy na ahoana na ahoana ny vokatry ny lalao fahafolo farany amin'ny alahady izao... ♦ Niara-nanaiky ny dingana voalohany amin'ny fifanarahana naroson'ny filoha amerikana Donald Trump handaminana ny ady any Gaza ny Hamas palestiniana sy ny fanjakàna Israeliana. Dingana, mamaritra ny fifanakalozana babo an'ady sy takalon'aina...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco