♦ Olona 4 farafahakeliny no nosamborina vokatry ny hetsi-pitakiana tao an-drenivohitra androany. Olona maromaro no naratra teny Anosibe sy ny manodidina amin'izay hetsika nafàna tao an-drenivohitra izay... ♦ Naneho ny alahelony ny fianakavian'i Rivaldo, ilay tovolahy voatifitry ny basy tany Antsiranana, nandritra ny hetsika tany an-toerana. Nandiso ny nambaran'ny filoham-pirenena izy ireo fa tratra teo am-panaovana fandrobàna no nahafaty azy... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo sendikà mitaky ny zony, manoloana izao zava-misy eto amin'ny firenena izao. Anisan'ireny androany ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny fambolena...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...