21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...

♦ Malemy ny fitondrana amin'ny Ben'ny Tanàna ho an'Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ilo Mada. Nambaran'ny filohan'ity antoko ity fa efa ampoizina ireo fomba hanilihana ny mpifaninana amin'ny fikarakarana ny fifidianana amin'izao... ♦ Voatery nampidirina hôpitaly haingana i Mahery Lanto Manandafy omaly tolakandro. Ahiana ho tatry ny fahatapahan'ny lalan-drà ity mpanao pôlitika gadraina eny Antanimora ity... ♦ Tombanana hivoaka ny faran'ny herinandro izao ny valim-panadinana Bakalôrea 2024, ho an'ny Faritanin'Antananarivo...

♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...