Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 1, 4-8. 17-19)

Notendreko ho mpaminany eo amin’ny firenena ianao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tany am-bohòka ianao,
ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao,
dia efa nohamariniko;
notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.”

Dia hoy aho:

“Indrisy, ry Tompo Andriamanitra ô,
tsy mahay miteny aho fa zaza.”

Fa hoy ny Tompo tamiko:

“Aza manao hoe: ‘Zaza aho’,
fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao
ary hilaza izay rehetra handidiako anao.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo,
fa momba anao hamonjy anao Aho.”

Fa ianao kosa, misikìna,
mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany,
fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany koa ianao.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà sy ny mpifehy eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony,
eo anatrehan’ny vahoakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1-4

Ny Tompo no mandan’ny aiko, ka zovy àry re no hangovitako?

Andriamanitra no tokiko e...
Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Raha mirohotra ny mpisompatra
mba handrotika ny nofoko,
dia ireo rafilahy sy fahavaloko,
izy no hivena sy hiankarapoka!

Na tafika aza no mitoby,
tsy miraika ny foko;
na andiany no miantoraka
matoky hatrany aho.

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy PaolyApôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 12, 3-13)

Samy manana ny anjara fanomezana isika, araka ny fahasoavana noraisintsika avy.

Ry kristianina havana,
noho ny fahasoavana nomena ahy,
dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy:
Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety,
fa samia mahalala ny antonona azy,
araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Fa toy ny tena iray ananantsika,
misy rantsam-batana maro tsy mitovy asa,
no maha-tena iray antsika ao amin’i Kristy,
na dia maro aza isika;
ka mifampirantsam-batana isika rehetra tsirairay avy.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika,
araka ny fahasoavana noraisintsika avy,
ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana;
raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana;
ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra;
itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra;
ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana;
ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana,
ary ny hafa koa manao fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany amin-kafaliana.
Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra,
fa mba mafàna fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e.
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izaho no tena foto-boaloboka ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko, dia esoriny;
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany,
mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao,
noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be
satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana, ka maina;
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko,
raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...