Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
♦ Nahatsiaro sy nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny Sinaodin'ny Eveka tanterahana any Roma... ♦ Mbola tsy manome sehatra ny vehivavy ny antoko pôlitika, hoy ny CNFM. Zara mantsy raha misy 6%-n'ireo kandidà Ben'ny Tanàna no vehivavy... ♦ Nitondra valin-teny fohy momba ny valin-kafatra nentin'i Comores manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Choléra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika...
Ny kristiana dia izay matoky ny fitiavana lavorarin'ny Rainy, ka miaina ny maha zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin'ny fomba mbola tsy lavorary loatra aza. Fanomezana maimaimpoana ho an'ny mahantra ny fanjakàn'ny lanitra ka izay mieboebo ho manana ny ampy, fa tsy miantehitra amin'ny lovan'ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco