Ny Raozery sy Sapile : misy ny endrika efa mahazatra dia ny mistery 4, misy toko 5 avy ; fa misy koa, ohatra Sapilen'ny famindram-pon'Andriamanitra, Sapile miaraka sy ho an'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana, Sapile miaraka amin'ny Masina Misely Arkanjely... Misy koa ireo fanehoam-pinoana sy fitiavam-bavaka hafa efa fanaon'ny mpino hatry ny ela ; ilaina ireny satria olona mino sy mavitrika no ilaina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

29 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

♦ Mihamafy ary miverimberina hatrany ny fahatapahan'ny herinaratra avy amin'ny Jirama. Maro ireo toerana misedra izany amin'izao fotoanan'ny vaovao izao... ♦ Efa mazava ny toromarika sy torolalana nomena ireo rantsan'ny CENI eny amin'ny Distrika, araka ny fanazavan'ny kaomiseram-pifidianana eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny Toussaint ny sekolim-panjakana nanomboka androany. Misy kosa ireo sekoly tsy miankina mbola manohy ny fampianarana...

♦ Eokarisita Masina hotanterahana eny amin'ny Katedraly Andohalo no handraisan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Lakroan'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria... ♦ Nankalazaina ny 27 ôktôbra 2024 ny andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, tao amin'ny EKAR Masindahy Louis Mpanjaka Fenomanana... ♦ Hangataka ny famonjena tahaka an'i Bartimé jamba isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus ny 27 ôktôbra 2024...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...