• Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...

  • Lasa aloha raha oharina tamin'ny fifidianana hatramin'izay ny fandefasana ireo fitaovana ho ampiasaina amin'ny fifidianana ny 11 desambra izao...
  • Maro ireo mponina eto Antananarivo sy ny manodidina no voan'ny tazomoka, araka ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'y fahasalamam-bahoaka ka anaovany fanentanana...
  • Efa nivoaka ny valin'ny fifaninanana handraisana mpandraharaha ny fonja miisa 600. Ho tanterahana ny 4 desambra ny dingana faharoa amin'ny fifaninanana...
  • Nirehitra ny motera iray tao amin'ny ilany ankavian'ny fiaramanidina rosiana iray ; nieren-doza ireo mpandeha tao anatiny...

  • Samy tsy namaly ilay adi-hevitra natao teny amin'ny Centre Arrupe Faravohitra, ireo kandida ho ben'ny tanàna an'Antananarivo, avy amin'ireo antoko TIM sy ny vovonana Irmar, ao Antananarivo-renivohitra...
  • 48 isa ireo olona voavonjy tao anatin'ny vedette nitondra tera-tany Sômaliana 70, nikasa ho an'ny Mayotte, olona miisa 2 maty no navarina an-dranomasina, ankoatra ireo vehivavy miisa 5 hafa maty tao amin'ny nosy Iranja...
  • Nahampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny fitadiavana mpanazatra ho an'ny ekipam-pirenena "A" Barean'ny Madagasikara, izay naton'ny federasiôna, hikatona amin'ny 5 desambra izao ny tolotr'asa...
  • Tsy nisy afa-tsy herinandro monja ny fiatohan'ny ady nisy teo amin'ny Hamas sy ny Israeliana, tao anatin'ny 1 taona sy 1 volana.

Fitaovam-pifandraisana mahomby sy maharitra ifampiresahan'ny Kristianina amin'Andriamanitra ny vavaka. Ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina anefa no loharanon'izany fifandraisana izany ; fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny ohatra omen'i Jesoa no manamafy fa ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin'ilay Ray... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...