• Manao ezaka hatrany ho an'ny fiombonana sy ny fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana, ny eo anivon'ny DIDEC eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Loaharano velon'ny fanantenantsika ny Fanahy Masina, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 11 desambra 2024...
  • Nihaona tamin'ny Filoham-panjakana Palestiniana, Mahmoud Abbas, ny Papa François ny alakamisy 12 desambra 2024...

Nahitam-bokatra ny sehatr'asan'ny OSCEAH na ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana tamin'ity taona ity. Miompana amin'ny zo fototra maha-olona ny rano, ny fidioavana ary ny fanadiovana ary ny fanadiovana ; ka niompana tamin'izany ny sehatr'asan'izy ireo. Manampy ny hisian'ny hay tantana koa izy ireo. Ny hanànana politika nasiônaly no asa voalohany natao. Misy ny dingana vita momba ny famolavolana azy io ary hivoaka ato ho ato amin'ity volana desambra ity. Sarotra hoy Andriamatoa Ravelosaona Arsène, filohan'izany firaisamonim-pirenena izany ny fametrahana azy...

  • Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Chido. Tany amin'ny 135 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny 11 ora antoandro teo...
  • Samy mihiaka fandresena avokoa ny kandidàn'ny IRMAR sy ny kandidàn'ny TIM ao Antananarivo Renivohitra, eo am-piandrasana ny vokatry ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo...
  • Voamarina ny fisian'ny haromotana any amin'ny Faritan'i Toamasina, tao aorian'ny fitiliana natao teny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar...

Araka ny fifampizarana dia hita fa miatrika fanamby maro ny fianakaviana manoloana ny zava-misy ankehitriny, fa indrindra eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fifandraisana ao an-tokantrano. Noho izay antony izay dia ilaina : ny fahaizana manamafy ny fanabeazana ao an- tokantrano, ny fandraisana andraikitry ny tsirairay araka ny manandrify azy ary ny finiavana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ho an’ny ankohonana, ny fiangonana ary ny firenena.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...