I Masimbavy Geneviève no ankalazaina ny 03 janoary. Teraka ny taona 423 tao Nanterre i Masimbavy Geneviève. Mbola zaza izy dia efa nanolo-tena tamin'Andriamanitra.

Misy fahazarana tokony hianarana amin'ny haharetana ananan'ireo mpivahiny rosianina, araka ny nambaran'ilay boky momba ny" fiainam-panahy malaza", izay nianatra ny fomba fivavahana amin'ny alalan'ny famerimberenana ny vavaka fiantsoana hoe " Jesoa kristy, Zanak'Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho!" Ny vavaka am-bava dia hanjary rivo-piainana, ... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

3 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)

  • Miantso ny olona hibebaka ny kardinaly Desiré Tsarahazana Arsevekan'i Toamasina. Aoka hoy izy tsy hirehareha amin'ny fanaovan-dratsy isika...
  • Fitaovana ahafahana miady amin'ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ampisongadina ny fambolena ny famokaram-bary hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Hanao ezaka hanatsaràna ny vokatra ny fitondrana hoy izy...
  • Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanamaitsoana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny fambolen-kazo ny kristianina katôlika any amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa. Ny talata faran'ny taona teo no nosokafana ny taom-pambolen-kazo ho an'ity Diôsezy ity...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...