3 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)
Mitohy hatrany ny fijoroan’i Joany vavolombelona manambara an’i Jesoa eto. Ny tanjon’ny Evanjelin’i Masindahy Joany moa dia ny fanambarana fa Zanak’Andriamanitra i Jesoa. Ka i Joany Batista no milaza marina izany voalohany eto. “Nahita aho, hoy izy, ka mijoro ho vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra”. Manambara izay maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa izay avokoa ny voambolana lazain’i Joany. Voalohany, “Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotan’ny olona Izy”. Ka matoa Izy manala ny fahotana dia Andriamanitra. Satria Andriamanitra ihany no afaka manala fahotana Mk 2, 7. Izay no hanoroan’i Joany Azy antsika. Satria tsy afaka manasitrana aretina isika raha tsy fantatra aloha ny fanafodiny. Mitovy amin’izay ihany koa, tsy afaka hiala amin’ny fahotana isika raha tsy mahafantatra an’i Jesoa. Izy avy eo no manoro antsika ny lala-marina tokony hizorana, hanitsiantsika ny tsy mety amin’ny fitondran-tenantsika. Ka mba hahafaka antsika amin’ny fahotana sy hahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra dia atoron’i Joany antsika i Jesoa. “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra ; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona”. Ka ny fanondron’i Joany nanondroany an’i Jesoa ilay rantsan-tànan’ny Pretra manandratra ny Eokaristia eo ambony Otely izay manoro antsika ihany koa an’i Jesoa rehefa miteny izy hoe: “Inty ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra; inty Ilay manala ny fahotan’izao tonolo izao”.
Faharoa, “talohako Izy”, hoy i Joany. Izany hoe efa nisy hatrany am-piandohana Izy. Ka izany no milaza fa mandrakizay Izy. Ary ny mandrakizay dia tsy iza fa Andriamanitra. “Fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho”, hoy i Jesoa Jn 8, 58. Mampahafantatra antsika indray koa izany fa Andriamanitra i Jesoa. Ka milaza amintsika i Joany, arak’izany, mba hanaraka ny maharitra mandrakizay. Fahatelo, “tsy nahalala Azy aho”, hoy hatrany i Joany; ary haveriny in-2 izany eto. Izany ihany koa no milaza fa Mesia Izy. Satria araka ny lovam-pampianarana Jody, ny Mesia, izay tsy misy fiavahany amin’ny olon-kafa, dia tokony tsy fantatra mandrapahatongan’ny andro hanehoana Azy ho Mesia, ka i Elia izay hiverina indray eto an-tany no hampahafantatra izany maha-Mesia Azy izany Ml 3, 23. Dia jereo fa tanteraka tokoa izany eto amin’ity Evanjely ity. Satria teo anivon’ny Jody i Jesoa nitovy taminy, saingy tsy fantatra raha tsy nampahafantarin’i Joany. Ka i Joany izàny no atao hoe Elia eto, araky ny voalazan’i Jesoa ao amin’i Mt 17, 13. Ary manamafy izany ny nahitany ny Fanahy Masina nitoetra teo ambonin’i Jesoa, izay milaza fa Mesia Izy. Satria ny Fanahy Masina no mitoetra ao amin’ny Mesia mandrakariva araky ny voalazan’i Izaïa Mpaminany 11, 2. Arak’izany àry, tena Andriamanitra tokoa i Jesoa ary Izy Ilay Mesia tonga hamonjy antsika amin’ny fahotana. Koa aza misalasala manaraka Azy; fa Izy no hampahazo antsika ny Fanahy Masina ho famelan-keloka hoan’izay mifikitra Aminy.