♦ Nambara ofisialy androany ny anaran'izy 12 mianadahy lany ho loholon'i Madagasikara nandritra ny fifidianana natao ny 11 desambra teo. Ny talata 19 janoary izao no hivory voalohany ireo mpikambana vaovao... ♦ Nidina an-dalambe androany ny mpianatry ny ENS tao Antsiranana. Niafara tamin'ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana izany, nisy ireo mpianatra voasambotra...
♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zony ny mpianatry ny ENS ao Ampefiloha. Niditra an-tsehatra nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Telo no voasambotra, naratra ny filohan'ny fikambanan'ny mpianatra... ♦ Toherin'ny filoha amerikana Donald Trump sy ny mpomba azy ny voka-pifidianana filoham-panjakàna ka nahalany an'i Joe Biden. Iray no maty vokatry ny hetsika nataon'izy ireo tao amin'ny foiben'ny kongresy amerikana omaly...
Alakamisy 7 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22a
♦ Mpianatra telo voasambotra, iray naratra, vokatry ny fitokonana sy fidinan'ny mpianatry ny ENS an-dalambe teny Ampefiloha androany... ♦ Olo-tsotra : Mila hamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana fa tsy ho zaka raha hiverina anaty fihibohana noho ny coronavirus...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco