Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...

Zoma 12 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

♦ Hifarana rahampitso ny fe-potoam-piasan'ireo mpikamban'ny HCC. Miankina amin'ny fivorian'ny vondrona parlemantera no handrotsahan'ny antoko Tiako i Madagasikara kandindà ho solontenan'ny Antenimieram-pirenena ao na tsia... ♦ Nahatratra 500 tapitrisa dolara ny vola very teo amin'ny sehatry ny fizahan-tany teto amintsika ho an'ny taona 2020, vokatry ny fisian'ny Covid-19...

♦ Maro ny aretina mifandray sy mifampiankina amin'ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, iray amin'izany ny "Pesta". Ny pesta dia azo avy amin'ny voalavo marary, hafindran'ny parasy amin'ny olombelona sendra azy. Mbola ao anatin'ny vanim-potoana fisian'ny pesta isaka izao (Aogositra-Aprily), misy distrika miisa 45 mbola ahitàna tranga eto Madagasikara. ♦ Tsakafy : sokatra kely miaina an-tanety, hitan'ny mpikaroka tamin'ny taona 1927, mirefy 122 hatramin'ny 126 mm... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...