Zoma 12 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

Ampianarin’i Jesoa antsika androany fa ny didim-pitiavana no didy lehibe indrindra : fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny namana, izay didy roa tsy afa-misaraka. Ny fitiavantsika an’Andriamanitra dia tokony haseho any amin’ny fitiavana ny namana. Atao ahoana moa no hitia an’Andriamanitra tsy hita maso nefa ny namana hita maso aza ankahalaina ?

Mazava ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ity mpanora-dalana ity fa ny fitiavana an’Andriamanitra no didy voalohany fa ny fitiavana ny namana dia mitovy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ihany koa. Hazavain’i Jesoa amintsika androany àry, fa ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny saina manontolo no ahafahana misafidy marina tokoa ka hitiavana ihany koa ny namana tahaka ny tena. Mazava loatra fa izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy afaka ny hilaza fa tia an’Andriamanitra (1 Jo 4, 20). Ny fitiavana an’Andriamanitra dia tokony hasehontsika amin’ny fitiavana ny hafa, ka tsy fitavan-tena, na voninahitra, na fisehosehoana no entina hanampina ny hafa, fa ny fitiavana marina nampianarin’i Kristy, fitiavana tsy mitady tambiny.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...