Ny tontolo iainana dia ireo rehetra manodidina sy iankinan'ny fiainantsika olombelona toy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny rano, ny rivotra, ny masoandro, ny zava-maniry, ny ranomasina. Fahasalamana mira aina, raha misy fahasimbana ireo voatanisa eo aloha ireo dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana. Ohatra ny fahalotoan'ny rivotra dia miteraka olana amin'ny taovam-pisefona, miteraka tsy fahasalamana lasa mikohoka, voan'ny sery, sepotra. Ny rano misy loto dia miteraka aretina maro...

♦ Misandrahaka amin'ny lafiny maro ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy chine, tontosa omaly ny lanonana nokarakarain'ny vondron'ny fifankatiavan'ny Parlemantera Sinoa sy Malagasy... ♦ Heverina hiantoka ny 20-25% ny PIB eto amintsika ny tetik'asan'ny MICC, antsoina hoe " Taniketsa indostrialy" hatrany amin'ny taona 2025... ♦ Nitohy omaly ny adihevitra momba ny volavolan-dalàna LFI 2022, ary ny talata 23 novambra no hodinihina amin'ny fivoriambe eo anivon'ny AN...

♦ Mpiara-miombon'antoka ara-tantara amin'ny Madagasikara efa ho 60 taona ny vondrona Eraopeana, mbola maro ny fiaraha-miasa ho atao, hoy ny filohan'ny repoblika teny Ivoloha omaly... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19, any amin'ireo toerana lavi-dalana hoy ny Transparency International... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny vokatra Litchis ahondrana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena sy hitazomana ny vidiny tsy hiovaova ny mpisehatra amin'izany...

Ekena fa Antso tokana iantson'Andriamanitra ny isam-batan'olona ny fahamasinana, saingy tsy mora ary tsy mandeha ho azy no hahatongavana amin'izay. Maro samihafa ny safidim-piainana azo hizorana hamaliana io antso ho amin'ny fahamasinana io ka ilana fomba ny hamantarana azy. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...