Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.
♦ Nivoaka tamin'ny fahanginana, nanoloana ilay horonam-peo niparitaka tamin'ny Facebook ny ministry ny fitsaràna omaly, efa misy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity... ♦ Miverina indray ny "kidnapping" karana ao an-drenivohitra. Zazalahikely 3 taona no nisy naka an-keriny teny Ambodivonkely-Ambohimanarina... ♦ Tafakatra 21 ireo namoy ny ainy, noho ny fandalovan'ny rivo-doza Batsirai, 70.335 ireo traboina, hoy ny BNGRC, izay tatitra vonjimaika farany...
Tsara homarihina fa mifono fanasana ny "fiantsoan'Andriamanitra". Amin'ny maha "fiantsoana" azy dia tsy nisy nisafidy akory fa valin-teny no andrasana amin'izay voaantso. Tsy misy fanerena ihany koa fa fanasana, fiangaviana, tolo-kevitra. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Talata 8 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco