Talata 8 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13
Ry kristianina havana, ny foko iray na ny faritra iray na ny firenena iray dia samy manana ny fomba nolovany tamin’ny razany. Samy miaro sy mirehareha ary mandala izany ny mponina ao aminy. Ka ny fomba fanao sy fanarahana izany dia itarafana sahady ny olona iray na vahiny izy na tsia. Na koa mety hitsarana ny olona iray avy hatrany hoe mpanimbazimba fomba na tsy manaja ny fomba fanao. Izany toe-javatra izany no niseho tamin’ny mpianatr’i Jesoa. Nanome tsiny an’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalana satria noheverina fa tsy nanaraka ny fomba fanao ny mpianany, mialoha ny hisakafoanana : tsy nanasa tanana.
Voateny izany fidiovana izany amin’ny lalan’ny Jody ao amin’ny Levitika 11, sao mantsy nahavoakasika ireo voasokajy ho maloto toy ireo marary hoditra, ny boka. Amin’izao andro iainantsika izao dia tena ilaina tokoa ny manasa tanana matetika mba hisorohana ny aretina tahaka ny Covid-19, lasa tsy maintsy fomba fanao manerana izao tontolo izao ny manasa tanana, ka efa hita isaky ny toerana rehetra ny fitaovana hanasana tanana. Ny fahadiovana dia tena tsara tokoa fa eto i Jesoa dia nandeha lavidavitra kokoa ka niteny ireto Farisianina sy ny mpanora-dalana hoe mpihatsaravelatsihy.
Ity firenena ity mantsy hoy i Jesoa manaja ahy amin’ny molony fa manalavitra ahy ny fony. Tsara ny manaja ny fomba ety ivelany fa tsy tokony atao ambanin-javatra na adino ny didin’Andriamanitra, anisany nampahatsiahivin’i Jesoa ny fanajana ny ray aman-dreny izay nataon’izy ireo hoe Korbana izany hoe dia efa natao fanatitra ho an’Andriamanitra. Nanenjehana olona ny fombafomba fa natao tsinontsinona ny famonjena olona sy ny fikarakarana ny ray aman-dreny, indrindra moa fa ny fanatanterahana ny didin’Andriamanitra.
Miantso antsika amin’ny fivavahana marina i Jesoa. Tsy ny fombafomba ety ivelany no tena maha kristianina fa ny fifandraisana marina, manokana amin’Andriamanitra. Tsy izay miteny hoe Tompoko, Tompoko mantsy no hiditra amin’ny fanjakany fa izay manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy izay any an-danitra. (Mt 7, 21).
Ity fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ity no tena maha kristianina antsika, izay ambarany amin’ny fampianarany sy ny didiny. Anjarantsika kristianina izay vahoakan’ny fenekem-pihavanana vaovao, miorina ao amin’i Kristy àry, ny mandanjalanja tsara ireo fomba na fady samihafa, sao sanatria lasa sakana tsy ahafahantsika mandray an’i Kristy fahazavana sy Mpamonjy.
Ry Jesoa Tompo ô, enga anie ireo fomba amam-panao arahiko mba tsy ho tonga sakana hanembatsembana ny fanarahan-dia Anao amin-kitsim-po. Amen.