Sabotsy 5 marsa 2022 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32
♦ Mahaliana ireo mpandraharaha sy orinasa frantsay ny hampiasa vola eto Madagasikara. Mampisalasala azy ireo kosa anefa ny resaka angovo, ireo haba sy hetra isan-karazany... ♦ Kasain'ny mpitantana ny Tananan'Antananarivo ho tapahana ny fampanofana trano ireo mpiasan'ny Kaominina, tamin'ny alalan'ny bail emphytéotique...
♦ Mitondra antsika amin'ny fanantenan'ny fitsanganan-ko velona, ny fanombohantsika ny Karemy amin'ny lavenona, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Famantarana sy fahafahana ny fahalavan'ny andro iainana, hoy ny Papa François... ♦ Niombom-peo sy nanamafy ny antson'ny Papa François, ireo Kardinaly mandrafitra ny Curie Romaine, mba hivavahana ho an'ny fandriampahalemana
♦ Manamafy ny fanamby efa napetrany ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, fa hiasa ao anatin'ny fahamarinana sy ny fanajana ny Lalam-panorenana... ♦ Ben'ny Tanana roa avy nivory teto an-drenovhitra no niheren-doza tamin'ny sakan-dalana teny amin'ny lalam-pirenena fahefatra... ♦ Mbola ambany ny antontan'isan'ireo mpianatra hanala Bakalôrea, nahavita fisoratana anarana ho an'ny eto Antananarivo, amin'izao herinandro hikatonan'ny fisoratana anarana izao...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco