Sabotsy 5 marsa 2022 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32
Ambaran’ny Evanjely nohenointsika teo fa i Jesoa no nandeha tamin’ny tanana iray ka niantso ny mpanota, poblikanina izy io, i Matio no anarany. Ka rehefa nantsoiny hanaraka azy dia nandeha avy hatrany izy. Nafoiny ny zavatra rehetra fanaony. Tonga mpianatr’i Jesoa mafana fo, ary noho i Matio dia tafita tonga aty amintsika fampianaran’i Kristy.
Ny lesona tian’i Jesoa ampitaina amintsika eto dia hoe isika rehetra dia mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Ary izy dia mahita ny fontsika tsirairay avy. Ka Izy mihitsy no tonga manatona antsika, miantso mba hanaraka azy. Ka ny hany tsy maintsy hotandremantsika eo amin’ny fiainana : aoka isika tsy hanakana olona na iza na iza ka te hanatona an’Andriamanitra, fa ho vonona hanampy ny hafa, na nanakory fiainany teo aloha, na inona na inona vitany teo aloha. Tsarovy mandrakariva fa Andriamanitra dia mahay ny zavatra rehetra, ary hainy ny manova ny fon’olombelona.
Aoka isika tsy himonjomonjo tahaka ny farisianina sy ny mpanora-dalàna rehefa mahita ny namantsika mizotra amin’ny fiainam-baovao na ny lalan’ny fibebahana, aoka isika ho faly mandrakariva amin’ny fivoaran’ny hafa. Isika rehetra dia tsy afaka na oviana na oviana hitsara ny ho avin’ny hafa manodidina antsika. Fa asan’Andriamanitra ny mamaritana ny ho avin’ny tsirairay. Ny hany afaka ataontsika dia ny mifanampy sy mifaly amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay afaka manova ny fiainantsika isan’andro. Amin’izao fotoanan’ny karemy izao àry no fotoana tsara hijerentsika manokana izay rehetra manakana ny fontsika tsy hanaraka an’i Kristy. Aoka isika hahay haka tahaka an’i Levi izay nibebaka marina ka tapa-kevitra tanteraka nanara-dia an’i Kristy. Nanamarika izany fibebahany izany ny sakafom-pety niarahany tamin’i Kristy sy ny mpanora-dalàna ary ny mpanota. Tandindon’ilay hasambarana atolotr’Andriamanitra antsika any amin’ny fiaianana mandrakizay izany raha toa ka tena mibebaka marina isika.