Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Hanova ireo ministra vitsivitsy ao anatin'ny governemantan'ny praiministra Ntsay Christian ny filoham-pirenena. Hatao ny tombana araka ny asa vita, hisy fanapahan-kevitra aorian'izay... ♦ Nitsidika ny filohan'ny antenimeram-pirenena ny filohan'ny Ceni. Nifantohan'ny dinika ny momba ireo volavolan-dalàna tokony apetraka momba ny fifidianana... ♦ Hoamafisina ny fiarovana ny ala honko eto Madagasikara. Maherin'ny 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola atolotry ny governemanta alimana...

Manandratra sy mampivelatra ny fomba fijerintsika ny Tenin'Andriamanitra izay milaza amintsika fa ny vokatra tena izy dia ny vokatra any am-parany, ilay andro farany, andro tsy misy filentehan'ny masoandro intsony. Ny vokatra azo amin'ny fiainantsika sy ny asantsika dia ny " vokatry ny fiainana mandrakizay" (Jo 4,36). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Anisan’ny ezaka lehibe iray izay ilofosantsika ny vavaka mandritra izao karemy izao. I Jesoa zokintsika mihitsy aza no mampirisika antsika hivavaka ary hanana faharetana sy fitokisana tanteraka fa hivaly ny vavaka ataontsika. Ezaka tsy maintsy atao ny hananana toe-po vonona hiasa sy mandray andraikitra. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...