Mamolavola toromarika ara-politika ny fiangonana. Voizin'ny fiangonana ny hasin'ny maha-olona, ny soa iombonana. Ny fifanampiana tsy misalovana andraikitra, zava-dehibe ny soa iombonana izany hoe ho an'ny daholobe ny harena. Mila ezaka miaraka ny soa iombonana ary eo no hisehoan'ny firaisan-kina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alakamisy 14 aprily 2022 — Alakamisy Masina. Fahatsiarovana ny Fanasan'ny Tompo — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15

♦ Androany no natao ny "Messe chrismale" ho an'ny Arsidiôsezin'Antananarivo. Tamin'izany no nanavaozan'ny pretra rehetra ny tokim-panompoana, sady nanamasinana ireo menaka masina fampiasan'ny Fiangonana mandritra ny taona... ♦ Miantso fitoniana ara-pôlitika ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM, noho izao Herinandro Masina izao... ♦ Hitarina ny veleran-tany hambolena vokatra biolojika eto Madagasikara. Hisy ny fandaharan'asa hanatanterahana izany, ka hampitomboina ho 2 hetsy hekitara ny veleran-tany fambolena, raha 7 alina hekitara monja amin'izao...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Lazaiko marina aminareo fa hitomany sy higogogogo ianareo, ary hifaly izao tontolo izao; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. Ory ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; nefa tsy tsaroany intsony ny fahoriany rahefa teraka izy, noho ny hafaliany fa hoe misy olona teraka amin’izao tontolo izao. Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo. Amin’izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...