♦ Tsy mahazo manao tandrevaka ary tsy tokony hamela ny hafa mbola hiady hevitra momba ny fiandrianam-pizakana feno an'ireo Nosikeliny i Madagasikara hoy ny Sehatry ny Raiamandreny "SERA". Fabambarana manoloana ny dinika atao any Frantsa anio... ♦ Mila manova fomba fiaina manomboka izao ny Malagasy manoloana ny firongatry ny fanampozinana ara-tsakafo nitranga tato ho ato hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza... ♦ Mandeha ny asa fanarenana ny ala honko simba ataon'ny orinasa Bôndy any amin'ny Fritra Diana, amin'ny alalan'ny tetik'asa Ma Honko. 600 Ha ny ala honko simba efa voaharina tao anatin'ny 2 taona niasan'ny orinasa tany...
Trangam-piarahamonina niteraka alahelo sy fihotanam-po tsy hay notohainy ary fanehoan-kevitra maro samihafa ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teto amintsika tao anatin’ny tapa-bolana teo ho eo izao. Ambara fa fanapoizinana niniana natao na famosaviana tsotra izao no nitranga teny amin’ny sampanana Imerikasinana Ambohimalaza, raha toa ka fahapoizinana ara-tsakafo kosa ny tany amin’ny faritra hafa.
♦ Mpianatra amin'ny taona fahasivy manakaiky ny 300.000 isa no hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka androany. ny 19 amin'ireo no tera-tany vahiny raha toa ka 46 ireo manana fahasembanana... ♦ Hiaro ny hevitry ny fitondram-panjakàna izy 8 mianadahy solontena mandrafitra ny delegasiôna Malagasy hiatrika ny dinika faharoa eo amin'ny vaomiera iraisana Frantsay-Malagasy momba ireo nosy manodidina na ny îles Eparses. Fihaonana hatao any Frantsa io... ♦ Niray feo ireo vondron'ny firaisamonim-pirenena fa ny famerenana ny nosy Malagasy amin'i Madagasikara ihany no tokony hanaovan'ny delegasiôna Malagasy ady sisika amin'ity dinika any Frantsa ity...
30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco